<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Avia, miondreha,
 Ry vazan-tany ô!
 Fa lehibe Jehovah,
 Sy masina tokoa;
 Miankohofa tsara,
 Manatona Azy 'zao
 Haneho fanajana
 ILay Mpanao anao.

[V2]
 Andriananahary,
 Manaiky izahay
 Fa Aminao ny hery
 Tsy hay toherina.
 Tsy misy maharara
 Ny tianao hatao,
 Fa Hianao Mpitondra
 Izao rehetra izao.

[V3]
 Re any lavitra any
 Izao ny herinao,
 Ka isam-bazan-tany
 Hiondrika Aminao;
 Mpanjaka sy Mpitsara
 Mahery Hianao;
 Miadana ny tany
 Miankina aminao.</lyrics>
<title>Avia, miondreha FFPM6</title>
<hymn_number>6</hymn_number>
<author>R. Whately</author>
</song>